Rolf

|

Rolf--3

Tana nalife]

Les paroles des chansons d’Ombalahy
FIHAVANANA

Ry Tanindrazanay malala ô, Madagasikara
Ny fitiavanay tsy miala ho anao…
Fa nahoana isika Malagasy no mbola manaonao foana?
Tsy manaja izay teny nomeny fa vao mainka mifanimba
Aiza ilay firaisankina? Fitiavan-Tanindrazana?
Tsy naleo ve nangina? Fa vao mainka mifamono
Fihavanana no vazavazaina, aiza izao isika? Iza ihany izao no hitaraina fa vao mainka mahantra
Fihavanana no tabatabaina, aiza izao isika? Iza indray izao no hitaraina fa vao mainka mahantra
Fitiavan-tena no manjaka, fihatsarambelatsihy
An’ny vahiny ny laka, fa isika, vao mainka mifanimba
Ny harena an’ny vitsy anisa, tsy te hizara
Fifankatiavana tsy misy, fa vao mainka mifamono
Ry Tanindrazako malala, Madagasikara
Ny fitiavako tsy miala ho anao
ROLF

OMBALAHY
Teraka teto Madagasikara aho
Mbola kely dia efa nanidina tany amin’ny sisiny aho
Nahita gadona bobaka eran’ny tany
Natambatro ho ahy izay mba tiako ka nentiko avy any
Tafaverina àry aho, feno ny kitapoko
Nitrandraka ireo fakako sy ireo vakoko
Ela ny ela ka izay vao voatsakotsakoko
Aleo avoaka amin’izay ilay adalàko…
SALEGY FUNK ny anarany, tsy ho vitan’ireo be kintana
Raha tazotazomin’ialahy izy, tsy tàna vao mainka miridana
Ka alaivo tahaka raha mahasahy fa io dia tsy ho zakan’ialahy
Hainoy tsara ka ankafizo, avoahay ilay biby ao anatin’ialahy e!
Boay kely teto Madagasikara aho
Ela be no niodina tany amin’ny sisiny aho
Nitendry gadona bobaka hitako tany
Mavesatra ihany no tena tiako tamin’izany
Fa raha ny amiko manokana aloha dia aleoko manao izay nataon’ny sasany
Hamerina ny efa vita ve sa hamorona sy haka fafiny?
Fa sady leo aho no kivy aho no sosotra mihaino mijery ireo haino aman-jery
Ka naleoko nalamina kely fa raha vao misisika vao mainka tery
Mitaky talenta io mitaky fahaizana fa tsy ataotao foana
Fa tsy resaka vola sy matrakazy no andeha hampiteny ny moana
Fa ny antsika moa raha vao sendra miteny, lazaina hoe “miseho milay”
Tsisy resaka tiana io zalahy fa mahay na tsy mahay!
Efa tsy hay dia tsy atao, izany no tena teny filamatra
Hampandrosoana an’i Dago dia aleo ny matianina no asandratra
Tsy hanaonaonao foana fa miasa sady mikaroka
Ho hitanao eo ny vokany: ombalahy be tandroka e!
ROLF

TANY
Ity tanintsika jerena fa aza variana ianao
Mitady ireo harenan’izao tontolo izao
Io rano io no aina fa aza variana ianao
Aza avela ho maina ho an’ny taranakao
Andramo kely anie ilay hoe “Fihavanana”
Dia ho rava indray mandeha ireo fanimbàna
Arovy ny Tany, tsinjovy ny Tany, aza amidy ny Tany
Ilevanantsika jiaby io leretsy e
Ny rivotra ho lany fa aza maika ianao
Handoro solitany, setroka rehetra izao
Ny loto hialàna fa aza kamo ianao
Hanary fahatany ny fakofakonao
Ny eto an-tany atsaraina fa aza maika ianao
Hamonjy lanitra an-tsaina, fihetsika rehetra izao
Aleo aho aloha hatory fa tena reraka
Ny foko torotoro ho an’ireo manaraka…
ROLF

TONY
Raha vao nahita anao aho
Tsy tonga dia nahatsapa fa hoe
Ianao ilay olona hiainako
Ny fiainako nikorontana tamin’izany
Tsy nisaraka tamiko intsony ny tomany
Nihaino anao aho, dia lasalasa saina
Nahafantatra anao aho ka dia niverina niaina
Ny korontako, tsy tsapako intsony
Misy anao aho, tony aho
Ny fiainako rehetra, dia ho anao tsisy fetra
Tony aho
Efa lamina ny saiko
Ka tena tony aho mandrakizay
Izay àry isika fa lasa
Hanatrika miaraka ireo
Onjanonjam-piainana
Ny tanako hamikitra mafy anao
Tsy hahasaraka antsika n’iza na inona ho ao
Ka raha solafaka aho dia ho avotanao
Ho tazomiko mafy mba tsy hianjera ianao
Ny lasako, tsy tadidiko intsony
Misy anao aho, tony aho ROLF

KONTRARIANT

En été je me les caille
Et en plein hiver tout brûle en moi
L’eau glacée, je la bois à la paille
Et je me crame avec
A l’arrivée j’ai pas démarré
Et même au départ, j’étais au lit
Lentement je peux m’emballer
A fond la caisse, je m’assoupis
Je me répète quand je suis compris
Je rabâche même quand j’ai plus envie
Je ne dis plus rien si ça me suffit
Et s’ils n’ont rien compris, moi je me tais, suis tellement
Kontrariant, contre rien et contre un mur
Je me sens bien sur mon chemin
Je suis kontrariant, contre rien et contre tout, je me sens si bien
Et je m’insurge contre mes décisions, et là je suis content
Je prends le temps qui presse
En avance, je rate mes rendez-vous
Je fâche les gens qui m’intéressent
Ou je joue avec, je suis affreux…
Je me lave quand je suis astiqué
Je me plains quand je suis trop heureux
Mes malheurs me font glousser
Je suis mort de rire
Quand je dors seul, je sens mon harem
Quand je sors en en foule, je suis avec moi-même
Je fais de la zik, mais suis plutôt sourd
Je fais poids plume mais je suis plutôt lourd
Quand je fais le méchant, je suis trop attendrissant
Et quand je fais du charme, j’en fous du vacarme
Ma sincérité nage dans le mensonge
Et mes caresses blessent, rongent et dérangent
Je dis le contraire de ce que je pense, dans l’autre sens
Je suis le pire rameur dans les déserts les plus immenses
Mais je suis en fait quoi ?
L’inverse, mais opposé à tout ce que j’ai dit, mais……

WALL
Three men are waiting for something they don’t know, inside a shad or something like that, four walls surround them like a big hat, one of them is darker.
Three sticks as skinny as smelling as sweating, from end to end they’re wondering what’s happening? From a tiny window they caught sign of a watchtower firing squad coming down!
Wall!
Oozing and dribbling and smelling wall!
Frightening apalling alarming terrifying wall!
Dream about destroying this fucking wall
Desperately trying to see through this wall!
The youngest one is suffering a breaking up, an intent gaze his eyes are blown up, floods of tears run on his chicks, he panics.
Hopeless, one of them tries to comfort him but shouts drawn the sound of the voices, they hear some aproaching footsteps and each one is saying “is it my turn?”
ROLF

MASSA
Massa, ny mozikanay no mahafaka
Massa, ny mozikanay no mahasambatra
Massa, ny mozikanay no mampiadana e
Massa, ny mozikanay mampitambatra
Massa dia tsy mba mahafantatra azy
Massa dia tsy mba maheno azy ô
Massa
O tomany i Massa
O tomany i Massa
O tomany i Massa
O tomany aho
Massa, ny mozikanay no manavotra
Massa, ny mozikanay manasitrana
Massa, ny mozikanay mahamarina e
Massa, ny mozikanay mahafinaritra
Massa dia tsy mba mahafantatra azy
Massa dia tsy mba maheno azy ô
Massa
O tomany i Massa
O tomany i Massa
O tomany i Massa
O tomany aho
Massa, ny mozikanay no mamatotra
Massa, ny mozikanay no mampiakatra
Massa, ny mozikanay mampanidina
Massa, ny mozikanay mampangovitra

GATEE
Come on viens chérie que je t’emmène sur l’île où j’ai été conçu
Pas la peine d’emmener tous tes bagages là bas tout ça sera mal vu
Je vais te gâter, gâter, gâter comme un bébé
Jamais tu ne pourras rester la même même si tu l’as toujours voulu
L’Alizé te caressera ma sauvage, sur ma plage tu seras toute nue
Je vais te gâter, gâter, gâter comme un bébé
Ton maquillage mon bébé tu te le mets sur le ventre ou sur le mh…
Mais pas sur tes yeux
Ton maquillage mon chou tu te le mets là où je pense
Mais pas sur tes yeux
Mes oiseaux adouciront ton réveil, mon soleil se mettra à tes pieds
Ma chaleur t’affolera ma merveille, tes inhibitions seront morflées
Je vais te gâter, gâter, gâter comme un bébé
Sur tes lèvres le jus d’une orange dont tu t’empresses de m’imbiber
Plus infinie que le fleuve du Gange tu t’évertueras à me remercier
Tu seras gâtée, gâtée, gâtée comme un bébé
Ton maquillage mon bébé tu te le mets là où je pense
Mais pas sur tes yeux
Jamais tu n’oublieras ce paradis sur Terre
Ce plaisirogène sympa, cette idiolyse si fière
Car je t’aurai gâtée, gâtée, gâtée, gâtée, gâtée comme un bébé
Ton maquillage mon bébé tu te le mets sur le ventre ou sur le mh…
Ton maquillage mon bébé tu te le mets mh…
Ton maquillage mon chou tu te le mets là où je pense
Mais pas sur tes yeux
ROLF

Administration